Tsioka avy avaratra-andrefana no handrafitra ny toetry ny andro amin’ny ankapobeny ho an’ny tapany avaratry ny Nosy hatramin’ny rahampitso. Tombanana hihamalefaka kosa izany manomboka ny alakamisy makany amin’ny faran’ny herinandro. Hipaka amin’ ny morontsiraka afovoany atsinanan’ny Nosy ny sisan-drahona niaraka tamin’ilay rivodoza Grant anio sy rahampitso. Tombanana hanorana tandrifin-drahona mety harahin-kotroka indraindray ho an’ny afovoantany, ny faritra Avaratra sy Avaratra-Andrefana ary ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy. Hihamaina tsikelikely kosa manomboka ny alakamisy ho avy izao. Hisy fiakarana amin’ny ankapobeny ny maripana ambony saika manenika ny faritra maro eto Madagasikara. Manodidina ny 16 – 26 °C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ ny 26 – 37 °C ny tolakandro.
Namoaka naoty ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fanofanana arakasa fa tsy maintsy mitondra arovava avokoa ny olona rehetra mifamezivezy eny amin’ ny oniversite sy ny toeram-pampianarana ambony ary ny toeram-pikarohana noho ny firongatry ny aretina Mpox eto amintsika. Nanomboka ny alahady teo no manankery ny naoty.
Tsy mbola mampihatra ny fepetra sakana toy ny arovava aloha ny daholobe eny amin’ny toerana ifamezivezen’ny olona maro eto an-dRenivohitra (birao, tsena, taxi-be…), ankoatra ireo olona efa zatra mampiasa ny fitaovam-piarovana amin’ny andavanandro na tsy mbola tafiditra eto aza ny Mpox.




