Dokotera Alain Mérieux : Notolorana ny mari-boninahitra “Docteur Honoris Causa”

Ho fankasitrahana ny anjara birikiny miavaka tamin’ny fampandrosoana ny firenena indrindra eo amin’ny ady amin’ny aretina mifindra, nanolotra ny mari-boninahitra ambony indrindra “Docteur Honoris Causa” ho an’i dokotera Alain Mérieux ny oniversiten’Antananarivo ny fiandohan’ity herinandro ity tao amin’ny “Salle des Présidents” ao Ankatso. Mpamorona ny Fondation Mérieux, izay manana laza iraisam-pirenena izy. Tsy mitsahatra ny miasa ho an’ny fahasalamam-bahoaka nanomboka ny taona 1967 tamin’ny ady maneran-tany amin’ny areti-mifindra izy. Mirotsaka tanteraka ao anaty asa fikarohana sy ny fanofanana ny tenany, indrindra eto Madagasikara.
Nanatrika ny lanonana nisolo tena ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny talen’ny ivontoeram-pikarohana CNARP, Pr Rakotosaona Rianasoambolanoro niaraka tamin’ny filohan’ny oniversiten’ Antananarivo, Pr Randrianasolo Rivoarison.

Vonjy

Partager sur: