Fahasalamana: Notokanana ny IFIRP Antsiranana

Nanao fitsidiham-paritra tany Antsiranana ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kolonely Ran­dria­nirina Michaël, omaly. Ni­tokana ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana maromaro ta­ny an-toerana izy. Anisan’ iza­­ny ny trano miisa telo an’ny IFIRP.
Tanjona ny hanatsarana ny kalitaon’ny fitsaboana ao Antsiranana. Nanolotra fitaovana ara-pahasalamana ho an’ny CHU-PKA (Place Kaba­ry) sy ny CHU Tanam­bao ihany koa ny fanjakana.
Anisan’ny fitaovana natolotra ny fiara famonjena marary miisa 3? Nanampy azy ireo ny famoahana sy fitaovam-pamokarana entona mpamelon’aina miisa 105 miaraka amin’ny solomaso sy fantsona, niampy tavoahangy miisa 115. Nisy ihany koa ny armoara miisa 35, latabatra miisa 247, fitaovana fanatonana ko­jakoja fitsaboana miisa 115. Manginy fotsiny ny fitaovana ilaina amin’ny vonjy taitra miisa 35 ary oxymètre miisa 75.
Tetsy andaniny, nanome toky ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madaga­sikara fa tsy ho raraka an-tany ny ran’ny zanakan’Antsira­nana namoy ny ainy nandritra ny tolona. Naneho firaisam-po tamin’ny fianakaviana izy. Hanome voninahitra ny herim-pon’ireo tanora any avaratra ihany koa. Nanolotra ny fao-dranomaso ho an’ny fianakaviana ary nanome tohana ho an’ireo naratra ihany koa ny fanjakana nandritra ny fandalovana tany Antsiranana.
Marihina fa hanamorana ny asan’ny mpiasan’ny fahasalamana manerana ny faritra ireo fitaovana nozaraina. Hanatsarana ny rafitra ara-pahasalamana ihany koa.

Tatiana A

Partager sur: