Mozika tropikaly : Haneho sy hamelatra ny talentany i Désiré

Taona 2026, hanatanteraka ny fanambiny i Désiré. Tapa-kevitra ny hampahafantatra ny kanto ataony eo amin’ny tontolon’ny hira. Hamelatra izany amina sehatra maro.

Mpanakanto vao erotrerony. Zanak’i Manana­ra Avaratra ary lehibe tany Toamasina i Désiré. Ni­safidy ny handalina manokana ny fikirakirana ny gadon-kira mihetsika izay voasokajy anatin’ny mozika tropikaly izy. Taona 2026, tapa-kevitra fa hampahafantatra sy haneho ary hamelatra ny talentany eo amin’ny tontolon’ny zavakanto amin’izay i Désiré.
Tononkira mampita hafatra mafonja sahaza ny olona tsirairay, izay hasehony amin’ny alalan’ny endrika hatsikana mba ho mora raisin’ireo mpankafy. “Ny famolahana ny salegy no fototra ijoroan’ny mozika lalaoviko”, hoy i Kedona Désiré Petera. Nolaroina gadona va­hiny toy ny avy atsy Afrika atsi­mo izy ireny mba ho afaka hi­sedra vanim-potoana maro mi­fandimby raha ny fanazavany.
Sanganasan’i Désiré na­ha­­babo mpankafy maro ny “Misy farany raha jiaby”. Aingam-panahy nipololotra taorian’ny tranga nisy teto amin’ny firenena. Nanterin’i Désiré hatrany fa tsy tokony hatahorana ny fifaninanana eo amin’ireo samy mpiangaly mozika tropikaly. Manampy amin’ny ezaka tokony hatao aza izy ireny. Ilaina ny misokatra malalaka amina fiaraha-miasa amin’ireo mpanakanto. Marihina fa mpikarakara hetsika rahateo izy.
Hivelatra miandalana ho amin’ny filalaovana gadonkira milamina ny tarika amin’ity taona 2026 ity. Hisy, araka izany, ny famoahana hiram-pitiavana. Nampanantena i Désiré fa ho voatazona hatrany ilay tononkira manana ny lanjany. Ny fandrindrana ny zavamaneno hanintona hatrany ny fo amam-panahin’ireo izay maheno ny sanganasany. Efa eo an-dalam-panomanana seho rahateo ny tarika.

Nanangona: HaRy Razafindrakoto

Partager sur: