SOMBIM-BAOVAO

Nifarana hatreho ny fifanarahan’i Fabrice, malagasy lohalaharana baolina kitra, amin’ny klioba AS Excelsior atsy La Reunion, araka ny vaovao hita omaly, tany anaty tambajotran-tserasera. Tsiahivina fa anisan’ireo mpilalao tonga niatrika ny fihaonana ara-baolina kitra goavana tatsy Toamasina, izay natao ny 28 desambra farany teo, i Fabrice.

Raha ny fikarohana natao omaly, hitantana hanazatra ny klioba anglisy, Chelsea, i Liam Rosenior, anglisy mpanazatran’ny Strasbourg teo aloha. Tsiahivina fa somary tsy dia nahita vokatra tsara ny Chelsea teo aloha teo ka izao nanapa-kevitra ny hanolo mpanazatra izao. Anio, hifanandrina amin’ny Fulham FC ity klioba ity. Mipetraka eo amin’ny laharana fahadimy ny « premier League » ny Chelsea.

Namoaka ny fandaharam-potoana ho an’ny taom-pilalaovana 2026, ny eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny taranja volley ball. Feno dia feno izany fandaharam-potoana izany ka fiofanana ho an’ny mpanazatra no hisantarana izany, ny 24 hatramin’ny 27 febroary izao, any Toamasina. Ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara sokajy Vétérans kosa no hamaranana ny taona, ny 5 hatramin’ny 12 desambra, any Mahajanga.

Partager sur: