Baolina kitra PFL : Lalao roa hahemotra amin’ny fotoana manaraka

Hiverina amin’ny faran’ny herinandro ho avy io, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, Pureplay Football League (PFL). Araka ny fanadihadiana natao omaly, hahemotra amin’ny fotoana mbola tsy voafaritra ny lalao roa izay tokony hatao amin’ny faran’ny herinandro ho avy io. Anisan’ izany ny fihaonana eo amin’ny FC Rouge sy ny Clinique Za­natany. Tsy nahazoana fanazavana moa ny antony nampihemotra ity lalao ity, saingy nanamafy ny avy ao amin’ny FC Rouge fa tsy avy amin’izy ireo ny antony nanemorana ity fifanandrinana ity.

Etsy ankilany, mety hatao amin’ny fotoana manaraka ihany koa ny lalaon’ny Fosa Juniors FC sy ny Tsara­mandroso FC. Ity farany, izay tokony hotontosaina ao amin’ ny Kianja Rabemananjara Mahajanga. Nilaza ny avy ao amin’ny Fosa Juniors FC fa noho ilay aretina Mpox misy ao amin’ny faritra, no tena nandraisana izao fanapaha-kevitra izao.

“Efa hiarahana mahalala ny fisian’ny aretina nendran-drajako na “Mpox” aty Mahaj­anga, amin’izao fotoana izao, ka nandefa taratasy any amin’ny CFEM izahay, ny mba hanemorana io lalaonay io amin’ny andro manaraka. Taorian’iny taom-baovao iny dia tsy mbola niatrika fanazaran-tena ny mpilalao.” Hoy ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Fosa Juniors FC.

F.R

Partager sur: