Federasionin’ny handball : Kandida efatra nirotsaka hofidina ho filoha

Hofantatra anio, ny anaran’ireo kandida hofidiana izay ho filohan’ny Federasionina malagasin’ny handball. Tsy nandray anjara ny mpitantana teo aloha.

Hotanterahina ny sabo­tsy ho avy izao, etsy amin’ ny Lapan’ny Fa­natan­jahantena sy ny Ko­lontsaina Mahamasina, ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasio­nina malagasin’ny handball (FMH). Araka ny filazan’ilay loharanom-baovao iray, omaly, fantatra fa miisa efatra ireo olona nandefa taratasy amin’ ny firontsahan-kofidiana hitantana an’ity rafitra federalin’ny taranja handball ity.
Hofantatra anio kosa, ny anaran’ireo kandida izay ho voatazona sy nahafeno ny fepetra. Ankoatra izay, raha ny vaovao azo tamin’ity mpampita vaovao ity ihany, tsy nametraka ny taratasy firontsahana hofidiana amin’ity fifidianana ity ny lehiben’ny Federasiona FMH teo aloha, Raheriari­jaona Régina Cla­risse.
Olom-baovao, araka iza­ny, no mety hitondra ny lohan’ny rafitra federaly amin’ny taranja handball eto amin’ny Nosy. Hofantatra ny sabotsy ho avy io ny anaran’io olom-baovao io.
Marihina fa mialohan’ny fifidianana, hisy ny fivoriambe ara-potoana hatao, hanao­vana ny tatitra ara-bola sy ara-moraly ary ny ara-teknika, nan­dritra izay fitantanana lasa izay.

Hatao any Toamasina ny CCOI
Raha tsy misy ny fiovana farany, hatao any Toamasina, ny 6 hatramin’ny 15 febroary ho avy io, ny fifanintsanana aty amin’ny ranomasimbe In­di­nina, CCOI. Tsy izany fa amin’ io volana ho avy io ihany, eto an-dRenivohitra, hisy ihany koa ny fampiofanana mpanazatra, izay hahazoana ny mari-pahaizana “Licen­ce D” avy amin’ny Fede­rasionina Iraisam-pirenena.

Fitia Randria

Partager sur: