Fampivondronana ireo atleta hitiliana izay handrafitra ny ekipa nasionaly no nisantaran’ny federasionina ny Karate-do Malagasy, ny tao-pikatrohana 2026, teny Ambatobe, omaly. Mpikatroka 59 no efa tonga nivondrona ary mbola misy ireo andrasana.
Haharitra 4 andro ny fampivondronana ireto mpikatroka eo anivon’ny taranja Karate ireto, amin’ity andiany voalohany ity, hahitana sokajy Cadets, Juniors ary Seniors. Nambaran’ny filohan’ny federasionina ny Karate-do Malagasy (FKM), Ratefinanahary Emile fa efa misy foana ny fampivondronana isan-taona ary tohizana amin’ ity faha-4 taona nitantanany ity. Hampiakatra ny haavo teknika sy hampitovizana ireo mpikatroka manerana ny Nosy no tanjona ary tena tsapa fa niakatra izany haavo teknika izany. Ho an’ny fampivondronana tapany voalohany, hatao 4 andro isam-bolana izany, ny volana janoary, febroary ary marsa. Hisy aorian’izay, ny fitsapana amin’ny alalan’ny fiatrehana fifaninanana, ka amin’ny “Challenge de Boeny” no hanaovana izany. Mitohy ny fampivondronona ny volana mey, jona ary jolay. Hisy indray aorian’izay, ny fifaninanana “Challende de Betsileo”, hanaovana sivana ireo mpikatroka manaraka fampivondronana. Anton’izao fampivondronana izao ihany koa ny hampiakara ny teknika iraisam-pirenena ho fanomanana ireo atleta amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena ho avy, toy ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika sy ireo fifaninanana afrikanina hahazoana tapakila amin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany. Ho an’ny sokajy “Jeunes”, misy ilay Youth League handraisan’i Madagasikara anjara ka efa homanina dieny izao ihany koa izany, araka ny nambaran’ny filohan’ny FKM hatrany. Anisan’ny fandaharam-potoana lehibe hatrehan’ny FKM amin’ity taona ity ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny federasionina any Espagne ka hisy manam-pahaizana Espaniola ho avy eto Madagasikara hizara traikefa sy hampiofana.
Hifarana ny alahady izao ny ity tapany voalohany amin’ny fampivondronana ity, eny amin’ny EFTA Ambatobe. Feno tanteraka ny fandaharam-potoana satria inefatra isan’andro ny fanazarantena.
Mi.Raz




