Ampahefa-dalan’ny CAN 2025: Hisantatra ny lalao i Senegal sy i Mali

Adin’ny samy goavana ! Hotanterahina anio, ny ampahefa-dalana roa voalohany hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra (Can 2025), tanterahina any Maroc. Tsontsorimamba isarahana avokoa ny fihaonana fa tsy misy kajikajy intsony. Hisantatra izany, ny Lion de la Teranga Senegal sy ny Aigle de Mali. Mipetraka ho ekipa “favori” amin’ity Can ity, i Senegal. Tsy mbola resy mihitsy izy ireo nandritra ny lalao nataony. Mbola tsy nahazo fandresena tao anatin’ny 90 mn kosa i Mali. Tsara ny mampatsiahy fa mbola manala vela amin’ity fihaonana ity i Mali. Raha tsiahivina, re­sin’i Senegal, tamin’ny isa 2 no ho 1 i Mali, ny taona 2019 nandritra ny lalao ara-pirahalahiana. Ankoatra izay, ho toy ny fihaonana famaranana kely ihany koa ny fifandonan’ny samy liona, Lion de l’Atlas Maroc mpampiatrano sy ny Lion indomptable Cameroun. Hanomboka amin’ny 10 ora alina ora eto an-toerana ny lalaon’izy ireo. Marihina fa hifarana ny 18 janoary ho avy izao, ity Can 2025 ity.

Fitia Randria

Partager sur: