Mpanao hosodoko efatra, samy manana ny aingam-panahiny sy ny fironany amin’ny hosodoko, no hiara-hisalahy amin’ny « Tambatra ». Fampirantiana hanehoan’izy ireo hafatra iombonana amin’ny alalan’ny zavakanto.
«Tambatra», maneho ny fiarahana, fiombonana, firaisankina, sns. Hanehoan’ireo mpanakanto ireo hevitra maro tsy tabaina, kanefa miboika anatin’izy ireo ihany koa. Fampirantiana iray, hahitana ny sanganasan’i Amir J, Natoa Rasolonjatovo, Isaac Azaly ary i Andry Marcel izany, izay hatao ao amin’ny Is’Art Galerie Mahatazana, ny 15 janoary hatramin’ny 5 febroary ho avy izao.
Fafana maromaro no hatambatra, haneho ilay lalan-tsaina voizin’ny « Tambatra », mandritra ireo fotoana ireo. Fironana samihafa, fanehoan-talenta samy manana ny azy ny an’ireo mpanao hosodoko ireto kanefa niniana nampiarahana mba haneho ny lohahevitra. Ny marina kokoa, haneho ny tsy ambara an-tsoratra na renesi-peo, amin’ny alalan’ny jery mandona fanahy. Toro-lalana fotsiny ho an’ny mpitsidika, fa azy ireo ihany ny famantarana ny hafatra ao ambadiky ny hita sy ny ita.
Samy manana ny hanitra ho azy tokoa mantsy ireto mpiangaly hosodoko ireto. Iray amin’ireo mpanakanto manambatra ny fototry ny hosodoko sy ny fifehezany ny tontolon’ny niomerika i Isaac Azaly. Manana ny fanehoany ny kantony azy manokana, novolavolainy avy amin’ireo trandraka maro nataony izy. Nampiana-tena, na ny marina kokoa nentin’ny aingam-panahiny hamoaka ny kantony i Andry Marcel. Nanomboka ny taona 2010 izy no naneho ny fanambarany ny hosodoko sy ny sokitra, avy amin’ireo akora nahodina.
Anarana fantatry ny maro eo amin’ny sehatry ny hairaha ara-endrika amam-bika ihany koa i Natoa Rasolonjatovo. Mivoaka eny amin’ny sanganasany ireo karazam-pihetseham-po marolafy, ka zary fampitan-kafatra mafonja ho an’ny manam-panahy ireo vokatry ny aingam-panahiny. Tsy latsa-daza amin’ireo namany i Amir J, izay efa nanoritra ny lalany eo amin’ny sehatry ny hosodoko malagasy ihany koa. Mora fantatra eny foana ireo sanganasany : fotsy ny tokotaniben’ny sary, maneho endrika tsotra, manakaiky ny misy, ny hiainana isan’andro eny rehetra eny. Mety tranga mandalo fotsiny ho an’ny Malagasy rako-pantsy, saingy lasa kanto mandraraka ivy no hita taratra amin’ireo sanganasany…
Zo ny Aina




