Mila fanarenana : Tsy ny mpihira irery no mpanakanto

Mbola maro ireo diso hevitra. Niroborobo fatratra ny fampiasana ny teny « zavakanto » nanomboka teo amin’ny taona 1975. Tsikaritra teo ihany koa no nivily tsikelikely tany amin’ny tontolon’ny hira izy io. Ny mpihira no nolazaina matetika ho mpanakanto. Hadino fa tafiditra ao anatin’io ny hosodoko, sokitra, dihy, sns.
Taona 2026, mbola izay ihany no mibahana, hany ka mahazo tombony amin’ny lafiny maro, raha miohatra amin’ny zavakanto hafa ny hira sy ny momba azy. Hadino mihitsy aza matetika ny fisian’ny mpanao hosodoko, sokitra, sns. Antony iray nametraka ny zavakanto hafa eny an-jorom-bala ihany koa ny « fahanginanana ». Manao zavatra an-takonana. Tsy misongadina fa any ambadimbadika. Tsy mampiranty. Tsy maneho ireo voka-pikarohana hita. Tsy ampy fifaneraserana amin’ny mpanjifa na mpijery, sns.
Mba tsy ahatongavana eo amin’ny kely tsy mba mamindro. Mila fanarenana goavana io tranga io. Mila miseho ny tontolon’ny zavakanto hafa ankoatra ny hira. Mila manao zavatra (hetsika) manasongadina ny kanto ataony.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: