Kolontsaina: Ho takona tsy ho ela ny orin-trano malagasy

Taitra ireo zatra mampiasa sy manokatra ny masom-panahiny. Tsy tafajanona eo amin’ny endrika amam-bika, fotsiny, mantsy ny zava-misy amin’ny kolontsaina. Manana ny fiantraikany lehibe eny anivon’ny fiarahamonina sy ny firenena iray manontolo izy ireny. Ahina, afaka fotoana fohy, ho takona ny orin-trano malagasy fahita eto Imerina na ny tranogasy.
Mirakitra kolontsaina sy fomba amam-panao goavana be, anefa, io orin-trano eto Ime­rina io. Miainga any amin’ny fi­jerena ny tany hanorenana. Ny andro na fotoana hiadiana ny fototra. Ny fananganana ny rindrina hatrany amin’ny tafo, sns. Very avokoa ireny rehetra ireny raha tsy voatazona ny orin-tra­no fanao teto Imerina. Ho rava hanaraka izany avokoa ny ko­lontsaina sy ny fomba amam-panao mifanaraka amin’ny tranogasy.
… Raha ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao no very na miova. Ho very na hiova hanaraka izany ihany koa ny tompony. Ho very fahendrena sy lamina voajanahary. Handray sy hidedaka amin’ny tsy azy, sns.
Manana ny safidiny ny tsirairay, saingy, amin-javatra lehibe tahaka itony, mila arovan’ny lalana ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao. Tsy zava-baovao izany fa fahita maneran-tany. Saingy, eto Madagasikara tsy mbola zava-dehibe ny fitandremana ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: