Nanolotra ireo boky nosoratany ho an’ny Tranombokimpirenena Anosy, i Thierry Sinda. «Anthologie des poèmes d’amour des Afriques et d’ailleurs », édition Orphie, « Mémoires et Révoltes au féminin », « Les Olympes noirs d’Henri Moucle », navoakan’ny édition TSM no nomen’ity mpampianatra mpikaroka momba ny haisoratra sy ny siansa maha olona, mpanao gazety, poeta ary mpitsikera sarimihetsika ity. Natao indrindra ho an’ireo mpianatra mandalina ny literatiora frantsay ireo, ankoatra ireo tia tononkalo sy liana amin’ny kolontsaina afrikanina ankehitriny.
Halevina anio i Jacquie Rasoamanana, izay nodimandry ny alatsinainy lasa teo, teo amin’ny faha-78 taonany. Mpitendry gitara tao amin’ny tarika Torebika, izay anisan’ireo mpisava lalana ny mozika rock tamin’ny taona 1980 izy. Nikoizana tamin’ny famerenana ireny hiran-dry Jimmy Hendrix, Santana, Dire Straits, Iron Maiden, sns. Rain’i Mbola Talenta, izay mpitendry gitara matihanina sy fanta-daza amin’izao fotoana izao i Jacquie Rasoamanana. Maty namely mamy, araka izany.
« Tsaky sy vazo », Erick Manana sy ry Ralah Trio, any Paris. Hanombohan-dry zareo ireto ny andiam-pampisehoana ho an’ity taona 2026 ity, any Europe ity seho hatao ny sabotsy10 janoary izao. Hifanotrona amin’izy ireo mandritra izany i Jenny, Joël Rabesolo, Passy Valiha ary i Tonny Toufa Loux. Fanehoan’i Erick Manana ny fitohizan’ny mozika, amin’ny alalan’ny fiarahany amin’ireo tanora manan-talenta izany. Eo hatrany kosa izy sy i Passy mitana ny fototry ny mozika malagasy, entin’izy ireo mitety vazan-tany.




