Tao anatin’ny roa volana niasan’ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Vololoniaina Lucie, efa nazava ny soritr’asa ary efa natomboka. Nisongadina ny fanarenana ny tanàna Miami ao Toamasina ho lasa toerana hahafahana misarika ireo mpizahantany izay ahitana ampahany amin’ny hakanton’i Madagasikara amin’ny lafiny rehetra.
Nohatsaraina ny valan-javaboahary Tsimbazaza izay ao anatin’ny fankalazana ny faha-100 taonany amin’ity taona ity.
Tsy maintsy amboarina ny lalana mirefy 17 km mampitohy an’Andasibe sy Mantadia hanamora ny fitsidihana ity valan-javaboahary manana ny maha izy azy ity.
Mitohy ny fanamboarana ireo teboka mainty izay tena mananosarotra eo anelanelan’i Belo sy Bekopaka izay mirefy 30 km raha atambatra. Hovitaina haingana mialoha ny fisokafan’ny fotoan’ny fizahantany izany hanamorana ny fahatongavan’ireo mpitsidika.
Laharam-pahamehana ihany koa ny fikarakaraka sy fiatrehana hetsika iraisam-pirenena hampahafantarana ny toerana manan-tantara eto Madagasikara sy ny asa tanana vita malagasy.
Tatiana A




