Fitantanana ny taranja Handball : Fantatra anio ny filoha hitantana ny Federasionina

“Iza amin’izy efatra”? Ho fantatra anio, etsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina Mahama­sina, ny anaran’ny filoha vaovao hitantana ny Federa­sionina malagasin’ny Hand­ball (FMH). Hatao androany eny an-toerana mantsy ny fifidianana izay ho lehibe hitondra izany indray mandritra ny efa-taona manaraka eo.

Miisa efatra ireo kandida nirotsaka hifanintsana amin’ izany. Anisan’izany Rasolo­foson Herizo Thierry, sekretera jeneralin’ny FMH. Eo ihany koa Razafindredohy Manan­jara Jaona sy i Ando­niaina He­nintsoa Guillaume ary Ratsi­mandao Andria­manga Herilo­vasoa Andri­anisai­nana.
Ampahafantarina fa nisafidy ny tsy hirotsaka amin’ity fifidianana ity, Raheriarijaona Régina Clarisse, lehiben’ny Federasiona FMH teo aloha. Marihina fa mialoha ny fifidianana, hisy ny fivoriambe ara-potoana hatao, hanaovana ny tatitra ara-bola sy ara-moraly ary ny ara-teknika, nandritra izay fitantanana lasa izay.

Ankoatra izay, raha tsy misy ny fiovana farany, hatao any Toamasina, ny 6 hatramin’ny 15 febroary ho avy io, ny fifanintsanana aty amin’ny ranomasimbe Indianina, CC­OI.

Fitia Randria

Partager sur: