Eny amin’ny hopitaly : Tsy hikarakara ireo mararin’ny Mpox ny interne

Tsy manana fitaovana fiarovan-tena amin’ny valanaretina izahay. Mianto-tena raha ifindran’ilay aretina…Noho izany tsy handray ireo mararin’ny Mpox sy valanaretina rehetra izahay, hoy ny interne.

Nanao fanambarana ny Union des internes de Madagascar miaraka amin’ireo interne manerana ny Nosy fa tsy handray an-tanana ny tranga voamarina sy ny tranga ahiahiana amin’ ny valanaretina Mpox tonga eny amin’ny hopitaly.
Tafiditra ao anatin’izao fandavana izao ihany koa ireo mararin’ny karazan’areti-
mi­findra rehetra. Mitana ny teniny izy ireo ary tena tsy mandray izany tranga izany mihitsy.
Manohy hatrany ny fandraisana an-tanana sy ny fikarakarana ny marary tsotra tsy misy aretina mifindra kosa ireo interne rehetra.
Araka ny fanazavana, tsy ampy ny fitaovana fiarovan-tena (EPI) ilaina hiarovana ireo mpiasan’ny fahasalamana raha hikarakara ireo mararin’ ny areti-mifindra ny interne. Tsy misy ny fandraisana an-tanana ireo interne raha sanatria ka marary ary voatery mianto-tena amin’ny fitsaboana izy ireo rehefa tratran’izany areti-mifindra izany.
Tsy mbola nahazoana va­liny ihany koa ny mahakasika ny tambina risika eo amin’ny asa fitsaboana imasoan’izy ireo manoloana ny areti-mifindra eo am-panatanterahana ny asany. Kanefa, izy ireo no mifanakaiky tanteraka amin’ny marary.
Miantso ny tomponandraikitra handray ny fepetra hentitra sy maika ho fiarovana azy ireo ny interne.
Rehefa azo antoka ny ara-pahasalaman’ny interne sy ny ara-tsoasialin’izy ireo vao ma­naiky ny handray ireo mararin’ny areti-mifindra ireto farany. Fanapahan-kevitra entina hiarovany ny ainy sy ny fahasalamany izay miasa andro aman’ alina ho an’ny vahoaka no noraisina.
Raha manana ny mararin’ ny Mpox na areti-mifindra hafa izany ka tsy maintsy ho eny amin’ny hopitalim-panjakana dia efa mivonona fa tsy hisy ny fikarakarana araka ny tokony ho izy. Satria, tsy horaisin’ireo interne izay tena mikaraka ny marary. Efa voaporofo nandritra ireny grevy ireny anefa fa tena ilain’ny hopitaly ireo in­terne amin’ny fikarakarana ny marary.

Tatiana A

Partager sur: