Aretina Mpox : Am-perinasa ny COUSP ao Vakinankaratra

Nahitana tranga nendran-drajako Mpox iray ao Vaki­nan­karatra, olona roa hafa koa ahina ho tratran’izany. Mana­mafy ny ezaka rehetra amin’ ny tsy hiparitahan’ity valana­retina ity ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka miaraka amin’ireo tomponandraikim-panjakana ao an-toerana sy ny fanjakana foibe. Nisy ny fivoriana natao ny fiandohan’ ny herinandro teo nametra­hana rafitra ho fisorohana ny fihanaky ny aretina, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny fiadidiana ny faritra.
Napetraka ary am-peri­nasa avy hatrany ny rafitra Centre Operatiorationnel d’Ur­gence pour la Santé Publique (COUSP), izay ivom-pibaiko­ana sy fanaraha-maso ny fivoaran’ny aretina ao Vaki­nan­karatra. Ahitana ny fiadidiana ny faritra Vakinanka­ratra, Pre­fektiora, OMC miaraka amin’ny sampandraharahan’ny minisitera rehetra ao. Fepetra sakana maro samihafa no ampiharina avy hatrany : fanasana tanana matetika, fanaovana arovava orona, famendrahana fanafody amin’ ireo toerana samihafa hifamezivezean’ny vahoaka. Eo koa ny fanamafisana ny fampahafantarana ny vahoaka amin’ny alalan’ny haino vaky jery ny fisian’ny aretina Mpox sy ireo rehetra tokony atao manoloana izany.
Azo sorohina ny fihanaky ny Mpox ka raha mahatsapa fambara hafahafa ny vatana dia tokony hanatona toeram-pitsaboana avy hatrany. Man­dray an-tanana ireo marary rahateo ny fanjakana. Ilaina ny fifanomezan-tanan’ny rehetra ho fisoroana ny aretina, hoy ny lehiben’ny faritra mpisolo toerana, Ravaonirina Nathalie Sébastienne.

Vonjy

Partager sur: