TARATRY ny KANTO

Ho marihina ny faha-80 taonan’i Nalisoa Ravalitera. Hisy ny velakevitra manokana hotontosain’ny Faribolana Sandratra izay izy no anisan’ny nanangana azy, ny alarobia 14 Janoary izao. « Nalisoa Ravalitera : Tendrombohitra tsy ho saro-javona » ny lohahevitra hovelabelarin’i Mahefa voalohany. « Nalisoa Ravalitera sy Benaina : loha­rano roa samihafa mihaona » kosa no hoentin’i Mahefa AI, mpianatra mpikaroka momba ny literatiora malagasy.

Mandalo eto an-tanindrazana i Volatiana. Mpihira, mpilalao sy mpanatontosa sarimihetsika no tena nahafantaran’ny maro azy. Anisan’ireo nisongadina tamin’izany izy nialohan’ny nifindrany monina any ivelany. Nisy ny fihaonana niarahan’i Volatiana sy ireo mpankafy azy, omaly, tetsy amin’ny Ivokolo Analakely. Tsy nanambara fandaharam-potoana na tetikasa aloha izy, hatreto.

« Les samedis de la Fondation H ». Hivoaka kely noho ny mahazatra ny ao amin’ ity toerana ho an’ny zavakanto ity, anio, manomboka amin’ny 9 ora maraina. Handray fizarana traikefa avy amin’i Mose Njo, izay mpanoratra manana ny mampiavaka azy ireo izay liana amin’izany. Mahakasika ny fomba fanoratra, ka hakana aingam-panahy ireo fampirantiana nisesy tao amin’ity toerana ity.

Partager sur: