Nifarana omaly, teny amin’ny EFTA Ambatobe, ny fampivondronana voalohany ho an’ireo mpikatroka Karate-do manerana ny Nosy, sokajy Cadets, Juniors ary Seniors. Atleta 90 no tonga namaly ny fiantsoana ary tena navitrika tokoa, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federasionina ny Karate-do Malagasy, Ratefinanahary Émile. Fifankahafantarana, firaisan-kina sy fifampizarana traikefa no tena niompanan’ity fampivondronana voalohany ity. Fanomanana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, hatao any Algérie, ny 7 hatramin’ny 13 septambra 2026 no tena anton’izao fampivondronana, izay mbola hitohy amin’ny fiandohan’ny volana febroary izao. Maminavina ny hitondra atleta 15 eo ho eo ny FKM amin’ity fifaninanana kaontinantaly ho avy ity. Sady fiadiana tapakila ihany koa ho an’ny fiadiana tompondaka maneran-tany olo-tokana hotanterahina any Pologne amin’ny volana oktobra 2026, sy ny fiadiana tompondaka maneran-tany isa-tarika any Chine amin’ny volana novambra 2026. “Tsy vitan’ny federasionina irery akory io, na ny minisitera irery, na ny ray aman-dreny irery, na ny atleta irery, fa fiaraha-miasa sy fifanampiana mba hahazoana vokatra tsara”, hoy ny fanamafisan’ny filoha Ratefinanahary Emile. Nofaranana tamin’ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao ny fampivondronana.
Mi.Raz




