Hopitalim-panjakana : Nitrangana antandrevaka, namoizana aina roa

Nanomboka ny fiandohan’ity taona ity, indroa nahitana antandrevaka amin’ny fandraisana marary eo anivon’ny hopitalim-panjakana, namoizana aina avokoa izany.

Ny voalohany, tranga niseho tao Miandrivazo, nahafatesana mpitsara iray niala sasatra tany an-toerana, ny 2 janoary lasa teo. Tranga faharoa ny tao Toamasina, ny 10 janoary ka mpiasan’ny fadintseranana indray no lasibatra tamin’izany. Samy manana toe-tena diabetika avokoa ireo olona roa ireo ary samy efa sokajy “type 2”, raha ny fanadihadiana natao. Ho an’ny voalohany, ny marainan’ny 2 janoary izy no tonga tao amin’ny hopitaly. Mpitsabo mpanampy mpiana-draharaha no nandray azy satria tsy tao an-toerana ny dokotera tomponandraikitra. Nametahany “sérum” izy nefa tsy nisy fitiliana ny diabeta na tosidra mialoha. Vokany, 30 minitra taorian’izay, fanina ilay rangahy ary tsy naharitra dia tapitra ny ainy satria “sérum glucose” no nataony. Tsy natao ho an’ny manana toe-tena diabetika nefa izany. “Fanaovana tandrevaka eo amin’ny asa izany”, hoy ny fianankavian’ilay niharam-boina. Hanokatra fanadihadiana ny fitsarana manoloana io tranga niseho tao Miandrivazo io, raha ny voalazan’ireo mpitsara marobe nandritra ny fandevenana.
Nesorina ny “oxygène”
Tranga faharoa ny niseho tao amin’ ny CHU Manara-penitra Morafeno Toamasina, ny 10 janoary lasa teo. Raim-pianankaviana 58 taona manana toe-tena diabetika, nitsabo tena tany amin’ny hopitaly tsy miankina nandritra ny taona maro. Taorian’ny taombaovao, tsy salama izy ka naiditra hopitaly tao amin’ilay toeram-pitsaboana tsy minkina mahazatra azy ary nasiana “oxygène”. Ny 10 janoary lasa teo, nentin’ny ambulance hatao “scanner” any amin’ny CHU Morafeno ilay marary. “Rehefa tonga
tao amin’ny CHU Morafeno, navoakan’izy ireo ny marary ary nesoriny ny oxygène. Nampidirina tao amin’ilay fanaovana scanner nefa avy hatrany dia tapitra ny ainy”, hoy ny fianakaviany. Tsy tokony ho nesorina mihitsy aloha ny “oxygène”. Mbola ilana fitilina hafa mialoha koa ilay marary hamantarana na ma­hazaka na tsia ilay “scanner” izy, hoy ny teknisianina sy mpitsabo nitondra fanaza­vana.

Sajo

Partager sur: