Nanao tatitra ny profesora Mamy Randria, misahana ny Cousp nasionaly, fa nahitana tranga vaovao miisa 8 indray ny valanaretina Mpox, ny faran’ny herinandro teo. Mitotaly 207 izany ny tranga rehetra manerana ny Nosy. Ny 184 no tranga mampiahiahy fa ny 23 kosa no efa voamarina tamin’ny alalan’ny fitiliana.
Mizotra tsara ny fandraisana an-tanana ireo tranga ahina sy voamarina raha ny fanazavana. Tsy mbola nisy ny aina nafoy hatreto. Miditra hopitaly avokoa ireo marary voamarina ary mihiboka. Tanjona ny hifehezana ny fiparitahan’ny virus Mpox. Tsy mivoaka ny hopitaly ny marary raha tsy efa azo antoka fa tsy hamindra, madio tanteraka ny vatany, tsy misy tasitasy heverina hamindra.
Maimaimpoana ny fizahana amin’ireo CTI na Foibe fanaovana fitiliana sy fandraisana an-tanana rehetra manerana ny Nosy. Ho an’ny eto Antananarivo, ahitana CTI ny ao amin’ny hopitaly manara-penitra Andohatapenaka, hopitaly Itaosy, Anosiala, Bongatsara ary Anosiavaratra. Heverina ny hampitomboina izany arakaraka ny fivoaran’ny valanaretina.
Anisan’ny mampifindra izany ny firaisana ara-nofo ary tsy voaaron’ny fimailo ny Mpox, raha ny fanazavana nentin’ny profesora Mamy Randria hatrany.
Tatiana A




