Basikety – “Ratafia” : Andrasana ao amin’ny Kianja mitafo Mahama­sina ny razana

Andrasana ao amin’ny Kianja mitafo Mahamasina ny vata-mangatsiakan-dRakotoarivelo Edmond na Ratafia, nodimandry ny alahady lasa teo. Ratafia, ilay andrarezina eo amin’ny taranja basikety ary tsy misy tsy mahalala azy eo amin’ity taranja ity. 96 taona izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao rehefa tojo tsy fahasalamana naharitra. Angady nananana sy vy nahitana ny fahaiza-manaon’ireo Malagasy mpilalao sangany rehetra itompokolahy. Tsy nisy mpilalao tsy naka traikefa taminy, amin’ny maha mpanabe sy mpanazatra matihanina azy. Raha ny fandaharam-potoana, hoentina ao amin’ny Kianja mitafo Mahamasina, anio, izy ary hijanona ao hatra­min’ny rahampitso, mialoha ny hitondrana azy any Am­boasarikely. Raha ny vaovao azo avy amin’ny Federasionina malagasin’ny basikety, hotolorana mariboninahi-pirenena Ratafia, rahampitso alarobia.

Mi.Raz

Partager sur: