Us Monastir sy ny Jet Kintana : Hiara-miasa hampandroso ny baolina kitra

Mivelatra hatrany! Nanao fifanarahana, indrindra ho an’ny taranja baolina kitra, ny Jet Kintana, klioba eto Ma­dagasikara, sy ny Union sportive Monastir, ekipa divizionina voalohany any Tunisie. Notontosaina ny faran’ny herinandro lasa teo izany, tany Monastir. Hifanome tanana amin’ny fampandrosoana ny baolina kitra eto madagasikara sy hanome vahana ireo tanora mba hilaravinahitra any ivelany ny roa tonta.
Tsy misy faharetany ny fifanarahana, raha ny fanazavana azo tamin’ny filohan’ny Jet Kintana, Ramisamanana Lova. «Mila misokatra amin’izao tontolo izao ny baolina kitra malagasy mba hahafahany mivoatra. Vintana lehibe ho an’ireo tanora mpilalao ma­nan-talenta ity fiaraha-miasa amin’ny klioba matihanina US Monastir ity”, hoy izy tao amin’ny tambajotran-tserasera.
Tsara marihina fa manana ny lazany amin’ny resaka fampiofanana sy fanomezana traikefa ara-teknika ary manana vina ambony ny klioba US Monastir. Dingana iray lehibe mifanandrify amin’ny tetikasa «Baolina kitra mahatafita» izao fanohanan’ny tonizianina ny klioba malagasy izao. Manatevina ihany koa ny fifanandraisan’i Madagasikara sy Tunisie eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena. Tsiahivina fa ao amin’ity klioba US Monastir ity i Behaja, kapitenin’ny Jet Kintana teo aloha, no milalao, amin’izao.

Fitia Randria

Partager sur: