Volley-Analamanga : Hatao ny sabotsy izao ny “Super Coupe”

Hotanterahina ny sabotsy 17 janoary izao, eny amin’ny Kianjan’Itaosy, ny fifanina­nana “Super Coupe”, taranja Volley-ball, karakarain’ny li­gin’Ana­lamanga. Fifani­na­nana hano­m­­bohana ny taom-pilalaovana 2026 ho an’Ana­lamanga ity hatao ity. Ny sokajy vehivavy no hifaninana amin’io sabotsy io. Hahitana lalao eo amin’ny sokajy la­tsaky ny 14 taona, latsaky ny 16 taona ary ny latsaky ny 18 taona. Raha ny fandaharam-potoana, hifanandrina eo amin’ny sokajy latsaky ny 14 taona ny ASI sy ny 2AVB. Eo amin’ny sokajy latsaky ny 16 taona kosa, hifanandrina voalohany ny ekipan’ny ASSM sy ny ASI 1. Hifa­nandrina ao­rian’izay ny ekipan’ny 2AVB sy ny ASI 2. Ny ekipan’ny Bi’as sy ny Squad kosa no hifampitana voalohany eo amin’ny sokajy latsaky ny 18 taona, raha toa ka hifanandrina kosa ny ekipan’ny Esca sy ny Afa, aorian’izay. Hanom­boka amin’ ny 8 ora maraina ny fifaninanana amin’io fotoana io.

Mi Raz

Partager sur: