Eo ho eo amin’ny 50 000 Ar isam-bolana ny saran’ny fianarana mitendry zavamaneno eto Madagasikara. « Lafobe » ho an’ny ankamaroan’ ny ray aman-dreny… Antony roa no miteraka io fomba fijery io. Miainga amin’ny fahasarotan’ny fiainana amin’izao vanim-potoana izao ny fampitahana ataon-dry zareo. Faharoa, tsy mijery ireo soa lehibe ho an’ny zanany, hoentin’ny fahaiza-mitendry zavamaneno ny ray aman-dreny.
Mila hatevenina ny fahalalan’ny ray aman-dreny momba ny tontolon’ny fianarana mitendry zavamaneno. Ho an’ny Malagasy miaina ankehitriny, tena tsy ampy izy io. Mijanona hatreo amin’ny: « aleo izy hianatra mitendry zavamaneno fa tahaka ny manan-talenta amin’izany io zanako io ». Na, « mino aho fa tsy ho sarotra aminy io, satria, izahay efa taranaka mpanakanto ». Na, « sao mba io no hahitany lalana any aoriana any, ka aleo izy hianatra… », sns.
Raha ireo no dinihina akaiky, tsy mbola tena resy lahatra noho ny fahalalana ireo soa hoentin’ny fahaizana mitendry (na mitsoka…) zavamaneno ireo ray aman-dreny. Tsy fantany fa manampy betsaka amin’ny fampivelarana ny maha olona iray manontolo ny fahaizana izany. Misokatra ny saina ka afaka mandinika zava-dalina. Izany hoe, manampy amin’ny fianarana mahazatra. « Mahay fianarana », ohatra, ny zaza mianatra mitendry zavamaneno misy tadiny tahaka ny gitara, valiha, harpa, piano… Miteraka fahatoniana eo amin’ny fo sy saina, vatana, fanahy koa ny fahaiza-milalao azy ireny.
… Goavana be ny soa azo tahaka ireo raha oharina amin’ny sandany 50 000 Ar isam-bolana, saingy tsy mbola tafapaka any amin’ny ray aman-dreny izany!
HaRy Razafindrakoto




