Toetr’andro : Mihaodihaody ny rivodoza

Miforona any amin’ny ranomasimbe Indianina ilay rivo­doza Dudzai. Omaly, mbola any amin’ny 3 100 km atsina­nan’ny morontsirak’I Madagasikara no nisy azy. Nilaza ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby fa tsy hisy fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto Madagasikara ity rivodoza ity ao anatin’ny herinandro. Arahi-maso hatrany nefa ny fivoarany any amin’ny faramparan’ny herinandro any.
Mahakasika ny toetry ny andro ankapobeny kosa, hiverina ny orana tandrifin-drahona saika manerana ny Nosy, rehefa somary niato kely izany nandritra ny roa herinandro. Mila miomana amin’izany ireo tsy maintsy hivoaka ny trano. Voa­kasik’izany ny any Sambirano, Sofia, Boeny, Melaky, Bongo­lava ary ny any Fitovinany hatrany Taolagnaro.
Ny any afovoany andrefana sy atsimo andrefana ihany no ho maina ny andro. Manodidina ny 13 hatramin’ny 26°C kosa ny maripana amin’ny afovoantany. Tafakatra any amin’ny 35°C ny ambony indrindra, any amin’ny faritra Atsimo Andre­fana sy Betsiboka.

Tatiana A

Partager sur: