Tsy niandry ela. Vantany vao nigadona an-tanindrazana dia noraisin’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera sy ireo mpiara-miasa aminy teny Anosy, ny alin’ny talata teo, i Denise. Avy nandrombaka ny anaram-boninahitra “Vehivavy mpanakanto mendrika indrindra aty Afrika Atsinanana izy, nandritra ny “All Africa Music Awards”, izay natao tany Lagos Nigéria ny famaranana, ny 11 janoary teo.
“Ity fahombiazana ity dia mampiseho amin’izao tontolo izao fa manana talenta sy fahaiza-manao avo lenta ny mpanakanto malagasy”, hoy ny minisitra Mandrindrarivony Ogascar. Nohamafisiny ihany koa fa eo anilan’ny mpanakanto hatrany, ary misokatra amin’ny rehetra ny minisitera. Nisy ny tsy tonga lafatra tamin’ny fanohanana, saingy nanome toky izy fa hatsaraina ny fiaraha-miasa amin’ny mpanakanto rehetra manerana ny Nosy. “Manana raiamandreny sy zoky azo ianteherana ny mpanakanto ao anatin’ny fitondram-panjakana”, hoy hatrany ny minisitra.
“Izaho nanao mozika fotsiny fa ianareo mpankafy no tena nanome ahy ny loka. Isaorako nareo teto Madagasikara hatrany ivelany izany”, hoy i Denise. Nohamafisin’i Shyn, izay vadiny kosa, fa ady efa natomboka ela ny an-dry zareo, ny hitondra an’i Madagasikara amina sehatra avo amin’ny alalan’ny mozika. Vao manomboka izy ireo, saingy efa misoritra ny lalana na ho an’i Shyn na ho an’i Denise. “Matoky Zagnahary”, araka ilay hira nentiny nambabo ny fon’ny rehetra nandritra ny “Afrima”…
Zo ny Aina




