Mandeha haingana ny fandraisana fepetra tsy hiparitahan’ny valanaretina Mpox eto amintsika. Ho an’ny andron’ny 13 janoary, 22 ny tranga ahina vaovao ary efatra ny tranga voamarina.
Raha vao misy tranga ahina, alefa amin’ny toeram-pitsaboana ireo olona ary tokony hahiboka raha voamarina fa tratra mandra-pahasitrana satria ny marary iray mamindra amin’ny olona 20. Ireo tanora manodidina ny 23 taona no betsaka voamarina fa tratran’ny Mpox eto amintsika, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra voalohany amin’ny CousP nasionaly, profesora Mamy Randria, omaly, teny Befelatanana. Ireo olona miezakezaka amin’ny firaisana ara-nofo (sexuellement actif) no tena betsaka voamarina tamin’ny alalan’ny PCR na misy tranga ahina ihany aza miseho amin’ny ankizikely sy ny olon-dehibe (manodidina ny 40 taona). Ho an’i Madagasikara, ny virus Clade MB, mifindra amin’ny fifampikasohana amin’ny hoditra sy ny firaisana ara-nofo no tena hita amin’ny tranga voamarina. Matetika any amin’ny faritry ny taovam-pananahana na ny fitombenana no miseho voalohany ny tasy na ny fery. Mila mitandrina amin’ny firaisana ara-nofo, araka izany, ny isam-batan’olona. Tsy voaaron’ny fimailo ilay virus raha ety ivelany ilay fery. Entanina ny tsy fanaovana firaisana amin’ny fotoana voafetra aloha, indrindra ho an’ireo miaraka amin’ny olona maro izay tena ahina hahazo ny aretina haingana. Mety hamindra amin’ny olona ao an-trano izy ireny ka mahatonga ny olona tsy manao firaisana nefa tratran’ny Mpox ihany koa (mamindra amin’ny zanaka na ray aman-dreny).
Na efa sitrana aza ny marary iray, mety mamindra amin’ny firaisana ara-nofo satria velona ao anaty tsiranoka mandritra ny 12 herinandro ilay virus ka ilaina ny fahamailona tanteraka, araka ny fanamarihany ihany. Manana Centre de traitement et d’isolement dimy ny fanjakana. Eny amin’ny hopitaly Manara-penitra, hopitaly isany Bongatsara, Itaosy, Anosiala ary Anosiavaratra azon’ny daholobe atonona raha misy tranga mampiahiahy.
Momba ny vaksiny fiarovana amin’ny Mpox, efa misy dingana atao hahazoana azy eto amintsika ka ny fitalevana misahana ny fanaovam-baksiny sy ny mpiray ombon’antoka mahazatra no misahana izany. Efa miandry ny tomponandraikitra amin’izao fotoana izao.
Vonjy




