Nankatoavina tamin’ity herinandro ity ny paikady nasionalin’i Madagasikara mahakasika ny fiovam-pihetsiky ny fiarahamonina amin’ny fahasalamana sy zo ara-pananahana, fahasalaman’ny reny, ny zaza vao teraka, ny ankizy, ny zatovo sy ny tanora ary ny fanjarian-tsakafo ho an’ny taona 2026-2030 na PSN SBC/SDSR – SMNIA-N.
Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ny sehatra marolafy (minisitera samihafa, mpiara-miombon’antoka, fiarahamonim-pirenena, fikambanan’ny femmes handicapées) izay tohanan’ny Unicef izy ity.
Mikendry ny hampiroborobo maharitra ny fitondran-tena manohana ny fahasalamana sy zo ara-pananahana hatramin’ny taona 2030 ny paikady. Heverina ho voakasik’izany ny 90% ireo mponina kendrena ka handray anjara sy ho tompon’andraikitra amin’ny fampihenana ny aretina sy ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza.
Mifototra amin’ny andry stratejika dimy lehibe ny paikady. Anisan’izany ny fanamafisana ny fitantanana, ny fanatsarana ny fahaiza-manaon’ny mpandray anjara ary ny fampiroboroboana ny karazana hetsika sy tolotra ara-pahasalamana.
Nandritra ny atrikasam-pirenena no nahafahana nankato ny paikady vaovao. Niarahana tamin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpanohana teknika sy ara-bola, toy ny Unicef sy ny fandaharanasa Wish 2, tamin’ny alalan’ny John Hopkins CCP, izany.
Tatiana A




