Araka ny fikarohana natao omaly, namoaka ny lisitr’ireo mpilalao hifandona amin’ny Albacete, ny ekipan’ny Real Madrid Fc, Espagne. Tsikaritra tao anatin’
izany lisitra izany fa tsy ao ry Mbappé, Rodrigo, Carreras, Trent Alexander Arnold, Bellingham, Rudiger, Tchouameni ary i Courtois.
Kotrana sy fiarahana mikorana no hanombohana ny taona ho an’ny taranja Muay thai, eo anivon’ny GISL (Grande île sports loisirs). Ny alahady 18 janoary izao no hanatanterahana izany, eny amin’ny Henri Fraise Ankorondrano, ka hanasana ireo mpikatroka rehetra sy klioba eo anivon’ity taranja ity.
Nanainga omaly alarobia, ny Malagasy mpikatroka taranja Jiu-jitsu Breziliana, Ranarivelo Xavier, hiatrika ny fiadiana ny amboaran’i Eoropa, hatao any Lisbonne. Ny zoma 16 janoary izy no hiakatra an-tsehatra voalohany, ka i Marcos Rodriguez Castors no hifanandrina aminy.




