Solomiral-50 taona an-tsehatra : Hanasa ireo namany anaty seho lehibe

“Vakojazzana”. Io ilay nampisaloran’ny Solomiral ny mo­zika lalaoviny. Ny taona 1975, 50 taona lasa izay no nanombohan’ny tantara ka tsy havelan-dry Hajazz miraha­lahy avy handalo fotsiny izany, fa homarihina amina seho lehibe iray. Hotontosaina ny 18 ja­noary izao ny fanokafana izany jobily volamenan’ny ta­rika Solomiral izany. Hatao ao amin’ny Havoria Anosy ny seho, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hanasa ireo namany niara-dalana nandritra ny taona maro tao anatin’ ny mozika ry Solomiral, mandritra izany. Mazava loatra fa eo ny Olombelo Ricky, satria mpitendry nanaraka azy nandritra ny taona maro ireo mandrafitra ny Solomiral, ary mbo­la misy miara-dalana aminy hatramin’izao. Eo koa i Rija Ramanantoanina sy i Nini Kia­ka ary Imiangaly, izay vavitokan’ny seho amin’ity.
Karazana anjoria an-kira, hitety izay 50 taona nolalo­vana izay no homanin’ny So­lo­mi­ral amin’io seho io. Hane­hoan’izy ireo ihany koa ilay fitohizan’ny mozika, rehefa miampita ny fanilo amin’ny taranaka. Raha toa ka i Bruno Rasolomahatratra, lahimatoa amin-dry zalahy mpiray tampo no nanangana ny tarika tamin’ ny taona 1975, nanara-dia azy tao ry Hajazz, Mendrika, Fa­naiky, Ony, nohatevenin’ireo namana mpitendry toa an-dry Seta, Rivokely, Tahinavibe ary i Andrikely. Amin’izao fotoana, efa miaraka amin’ny tarika ireo solofo dimbin’ny ala, ahitana an’i Ny Ray Fanaiky, izay zanak’i Fanaiky ihany.

Zo ny Aina

Partager sur: