Tetikasa Lime : Mpianatra 70 mianadahy nahazo tantsoroka

Nihaona teny amin’ny American School of Antananarivo ireo mpianatra avy ao amin’ny Lycée Andohalosy misitraka ny tetikasa “Lafayette Initiative for Madagascar Education (Lime)”.
70 izy ireo no mahazo io tantsoroka io, amin’ity taona ity, izay avy amin’ny mpianatra 8 mianadahy avy any Pennsylva­nia. Entina hanomanana sy hanohizana fianarana ambony any Etazonia ny tohana.
Anisan’ny torolalana zaraina amin’izany ny momba ny fitadiavana vatsim-pianarana, ny fiainan’ny mpianatra any amin’ ny Oniversite amerikanina, na koa ny fomba fikarakarana ny antontan-taratasy fidirana eny amin’ny oniversite.
Mpianatra amerikanina 190 no efa niara-niasa tamin’ny Lime, ka nanampy tamin’ny nahazoan’ny Malagasy mpianatra miisa 14 vatsim-pianarana feno ao amin’ny Lafayette College, any Etazonia, hatramin’ny taona 2010 nisiany.
Ny Masoivoho amerikanina izay midera ny anjara biriky entin’ny Lime amin’ny fanamafisana ny fifandraisan’ny Mala­gasy sy Amerikanina amin’ny alalan’ny fanabeazana.

Tatiana A

Partager sur: