Ho an’ireo olona manana ahiahy amin’ny mety ho voan’ny Mpox, misy ny fizahana fahasalamana
mialoha eny anivon’ny tobim-pahasalamana ka ny mpitsabo no mamaritra na tokony hanao fitiliana ilay olona na tsia. Momba ny soritraretina mety manavy, manakotsako ny vatana, marary ny loha sy ny tenda, misy atoditarimo, misy tasy na fery amin’ny vatana mipoitra amin’ny hoditra. Raha ireo no mitranga, tsara ny manatona toeram-pitsaboana na CSB.
Tsy hiverenan’ny Mpox intsony raha efa voa indray mandeha ny olona iray, nefa mety misy fetra ihany izany indrindra ho an’ny olona ambany be ny hery fiarovany. Mbola mila fikarohana koa ny zavatra maro momba ity aretina vaovao ity. Ambany ny taham-pahafatesana mifandraika amin’ny Mpox nefa mila arovana ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH sy ny zaza tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo satria marefo.
Rehefa tonga eny amin’ny Centre de traitement et d’isolement ny tranga ahina iray, alefa manao fitiliana PRC izy aloha. Raha négatif ny valin’ny fitiliana, alefa mody fa raha « positif » kosa dia mijanona ao mandritra ny tapa-bolana hatramin’ny iray volana na mahery. Rehefa madio tanteraka ny hoditra vao tsy mamindra intsony izy ka ambara fa sitrana tanteraka.




