« Kabary malagasy: manamafy fihavanana, arofanin’ny fiarahamonina ». Ny kabary io voalaza ao anatin’ny lohahevitry ny Androm-pirenena ho an’ny kabary io. Fa ny mpikabary mba ahoana? Olo-mendrika sy fakan-tahaka. Mazava fo, matsilo saina, anti-panahy. Toetra mila ananan’ny mpikabary ireo. Firy amin’ny mpikabary no mahafehy ny tenany sy ny teniny? Anisan’ny miteraka adihevitra maro, ohatra, ny fahitana tanora vao erotrerony mikabary. Tsy vitsy koa, anefa, ireo miteny fa : « ataonay io rehefa tsy hanao ianareo lehibe ». Ny zava-dehibe, tsy tokony ho simba ny hasin’ny kabary sy ny mpikabary.
Silo sy Mahery, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Nahitana karazany maro raha ny fiarahana tao amin’ity toerana ity. Iray amin’ireo be mpiandry ity hiseho anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina, ity. Malalaka be, araka izany, ny fandaharana ny hira ho azy mirahalahy ireto, manomboka any amin’ny sanganasan’i Silo, hatrany amin’ny sanganasan’ireo namany famerin’i Mahery an-tsehatra.
Ny 27 hatramin’ny 30 aogositra izao ny “Festival Sôrogno 2026” any Ambanja. Namoaka ny daty ofisialy, omaly, ny mpikarakara ny hetsika. Izy ireo hatrany no mamoaka daty voalohany amin’ireo hetsika ara-kolontsaina isam-paritra. Ny “Festival Sôrogno” rahateo no ela indrindra sy tsy mbola tapaka mihitsy na taona iray aza, hatramin’izay. Tsy mbola voafaritra kosa ireo mpanakanto handray anjara.
Nosokafana omaly ilay fampirantiana “Tambatra”, teny amin’ny Is’art Galery Mahatazana. Araka ny anarany, fampirantiana sanganasa iarahan’ireo mpanao hosodoko efatra izy ity: Natoa Sasolonjatovo, Amir J, Isaac Azaly ary i Andry Marcel. Hanasana ireo rehetra liana te hamantatra ny hafatra fonosin’ny tabilao tsirairay, araka ny fironan’ny mpanakanto amin’ny fanehoany ny aingam-panahiny izany.




