Famoronana ankehitriny: Very ilay fanahin’ny zavakanto

«Tsy azo tsaraina ny za­vakanto», hoy ny fomba fitenin-dry zareo vahiny. Na marina na tsia io fomba filaza io, tsy azo ihadian-kevitra kosa ny hoe : «voatsara ho azy» ny zavakanto. Anisan’ny mpitsara goavana sy tsy azo ialana ny vanim-potoana. Azo an­to­ka kokoa ny maha «kanto» ireo antsoina ho zavakanto raha ma­hasedra izany izy. Ny an­koatra izay, mampiahiahy ihany.
… Ohatra, ho an’ny tontolon’ny hira. Fony mbola ny Radiom-pirenena Malagasy irery no hany nahafahan’ny mpanakanto nandefa ny sanganasany. Zovy no tsy nihira ny sanganasa noforonin-dry Naka Rabemanantsoa, J.J Tseheno, Justin Rajoro, Jero­me Randria, sns ? Hatramin’ izao, iza no tsy mahafantatra ny fisian’ny hira «Mifankatiava ihany» ? Miharihary fa nateraky ny aingam-panahy ilay fa­moronana. Sahaza ny fanahy mandray azy ihany koa ilay sanganasa vita.
Tsy fandokafana be fahatany ny mpanakanto teo aloha, fa fampieritreretana ny mpamorona ankehitriny. Na­hoana no efatra na dimy taona ihany raha ela indrindra no «ma­la­za» ny hira iray ? Satria, tsy mi­­famatotra amin’ny tena maha izy ny Malagasy (fanahy) ny ankamaroan’ireny fa­mo­ro­na­na ankehitriny ireny. Noho izany, ivelany fotsiny ihany no andraisan’ny Mala­ga­sy azy fa tsy latsaka anaty.
… Tsy ny zavakanto ma­lagasy irery no tratran’izay fa saika ny ankamaroan’ny fiainan’ny Malagasy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: