VAOVAO TAMBATRA

Hanatanteraka « Asaramanitra bagasy » ny Sehatra Bagasy. Sady hisantarana ny taona vaovao no fanohizana ny hetsika fanao isam-bolana. Amin’ny sabotsy 7 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany ka hatramin’ny 5 ora sy sasany folakandro. Hi­fampiarahaba, hifampizara fifaliana ireo mpitia sy mpikolo ny bagasy. Azo antoka ny hisian’ny fiaraha-mihira. Manana amby ampy amin’izany rahateo ny bagasy.

Mitohy ny « Takalo dinika amorom-patana ». Taorian’ny fankalazana ny « Androm-pirenena ho an’ny kabary ». Lohahevitra hofakafakain-dRabenalisoa Ravalitera Jean sy Ranjatohery Harilala, anio, ny « Fi­diovana sy fanavaozana ». Hanomboka amin’ny 4 ora tolakandro ka hatramin’ny 6 ora hariva (oran’i Mada­gasikara) no hanatanterahin’ireto akademisianina sady mpampianatra no mpikaroka ireto izany. Amin’ny alalan’ny « facebook » sy « zoom » no hiatrehana azy ireo mivantana.

Tontosa ny fanamarihana ny « Androm-pirenena ho an’ny kabary ». Nomena ny hasina sy ny toerana sahaza azy tokoa ity kolontsaina sady zavakanto ity. Mitaky dingana lehibe ho an’ireo mpandala sy mpitia, mpikajy sy mpikolo ny kabary ny hetsika tahaka ireny. Mila fanatsarana hatrany ny tontolon’ny kabary. Maro ireo vita, fa tsy vitsy ihany koa ireo mbola miandry… Raha tontosa izany, ho mpanabe sy fitaratra tokoa ny mpikabary.

Partager sur: