« World Cup 3×3 »: Vonona ny ekipa Mlagasy

Anatin’ny fiomanana amin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja basikety 3×3, ny ekipa malagasy, Ankoay lahy sy vavy. Efa fantatra rahateo ny firenena hifanintsana amin’i Madagasikara ka hahafahana mahita sahady izay mety ho fizotran’ny lalao. Na eo amin’ny sokajy lehilahy na ny sokajy vehivavy, samy hifanintsana amin’ny Malagasy ny ekipan’i Etazonia, Pays-Bas Ary i Australie. Fifaninanana hotontosaina any Thaïlande, ny 13 hatramin’ny 15 marsa izao. Tsiahivi­na fa voahosotra ho tompondakan’i Afrika, taranja basikety 3×3, ny volana desambra 2025 lasa teo, ny Ankoay lahy sy vavy, ka nahazo ny tapakila hiatrehana ity fiadiana ny amboara maneran-tany ity. Na eo aza ny fahaiza-manao sy sy ny haavo teknika ambony ananan’ny mpifanandrina, vonona hiady ny Ankoay. Ny ekipan’i Serbie no tompondaka farany, teo amin’ny sokajy lehilahy, raha toa ka i Canada kosa no nahazo izany, teo amin’ny sokajy vehivavy.

Mi.Raz

Partager sur: