Oniversite – Ma-hery Futsal: Hahazo 2 tapitrisa Ariary izay ho tompondaka

Hotanterahina eny amin’ny Kianja mitafo Mahamasina, ny 22 febroary hatramin’ny 1 marsa ho avy izao, ny fifanin­tsanana baolina kitra ho an’ireo mpianatra eny amin’ny Oniversite, “Ma-hery Futsal”. Araka ny fanazavana azo ta­min’ny tomponandraikitra, Fief Mada, omaly, tetsy Analakely, hisy ny lelavola 2 tapitrisa Ariary hatolotra ho an’ny ekipa izay ho tafavoaka mpandresy ho an’ny sokajy lehilahy. Ho­tolorana 1 tapitrisa Ariary kosa ny ekipa voalohany amin’ny ve­hivavy. Tsy voafetra ny isan’ny mpandray anjara amin’ity hetsika ity, hifarana ny 17 febroary ho avy izao ny fisoratana anarana. Raha ny fa­nampim-panazavana voaray, afaka misoratra anarana avokoa ireo oniversite rehetra na miankina amin’ny fanjakana na ny tsy miankina.
Ankoatra ny fifanintsanana baolina kitra anaty efitrano, hisy koa ny lalao dihy «Dance urban», izay ahafahan’ny von­drona mpandihy rehetra mandray anjara. Eo ihany koa ny fifaninanana ho an’ny filatroana na ny «Miss et Mister». Hotontosaina manomboka ny 28 hatramin’ny 1 marsa moa ny famaranana amin’izany. Hiara-hisalahy amin’ity hetsika hataon’ny Fief Mada ity ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) ary ny orinasa Yas Madagascar. Tsara marihina fa tokony natao tamin’ny volana septambra 2025 lasa teo ity lalao ara-baolina kitra sy dihy ity, saingy noho ny zava-nisy teto amin’ny firenena dia nahemotra izany.

Fitia Randria

Partager sur: