Nanamafy ny fiaraha-miasa efa misy ny Repoblikan’i Korea sy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nilaza ny hanome solosaina ho an’ireo oniversite manerana ny Nosy ny Koreanina. Noresahina koa ny hanapariahana ny Information Access Center toy ny efa misy eny amin’ny ESPA Vontovorona.
Nisy ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny BNGRC sy ny Direct Aid. Fanamafisana hatrany ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza no atao amin’izany. Voakasik’izany ny fisorohana sy fiomanana, ny fandraisana andraikitra vonjy taitra ary ny fanarenana.
Nisy ny fahatongavan’ny sambo avy any Mahajanga tao Maintirano, faritr’i Melaky. Nanao sakana ara-pahasalamana sy nampihatra ny fepetra fisorohana rehetra ny ekipan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tsy nisy ny tranga mampiahiahy fa andrasana kosa ny 21 andro fihibohan’ireo mpandeha.




