Iray volana taorian’ny nitsanganan’ny ligin’Analamanga, taranja Echec, nanatanteraka zaikabem-paritra tetsy amin’ny Lycée JJ Rabearivelo Analakely izy ireo, ny sabotsy lasa teo. Dinika niantsoana ireo mpilalao, raiamandreny ary ireo rehetra misehatra ao anatin’ity lalaon-tsaina ity. Tanjona, raha ny nambaran-dRaharimanana Faratina, filohan’ny ligy, ny hiainoana sy handraisana ny hetahetan’ny tsirairay ka hitadiavam-bahaolana hampirindra sy hampandroso ity taranja ity eto Analamanga. Entanina sy ezahina ny hidiran’ny klioba ao anaty rafitra ara-dalàna ka heverina ny hitomboan’ireo ekipa. Hatreto, 12 ireo klioba manana «Certificat de conformité», raha 126 ireo mpilalao voasoratra anarana ara-dalàna. Nanatrika ity zaikabe ity ireo tomponandraikitra avy amin’ny minisitera. Ny 31 janoary ho avy izao, hanomboka ny taom-pilalaovana anatin’ny ligin’Analamanga ka hisy «tournoi» ho an’ny rehetra. Tsiahivina fa mpilalao amin’ity taranja ity i Faratina, in’efatra tompondakan’i Madagasikara. Manana ny anaram-boninahitra WFM (Woman Fide Master) izy ary nanangana ny vondrona Tia Chess eto Madagasikara.
Torcelin




