Faritra Atsimo Atsinanana: Maniry Tranobe iraisana ireo Ampanjaka

“Tranobe” na “Lonaky” iraisan’ireo foko rehetra anatin’ny distrika 5 mandrafitra ny faritra Atsimo Atsinanana. Anisan’ ireo hetaheta nampitain’ireo Ampanjaka telo tonta ao Farafangana, solontenan’ireo raiamandreny ara-drazana ao amin’ny Faritra, tamin’ny tale jeneralin’ny Kolontsaina sady mpanakanto Théo Rakotovao io. Nandritra ny fitsidihana izay notontosainy tany an-toerana, ny faran’ny herinandro teo, izany, ka nifampidinihany tamin’ireo raiamandreny ny mahakasika ny fanomezan-danja ny kolontsaina any an-toerana. Nangatahin’ireo Am­panjaka ihany koa ny hananganana tranombakoka ao amin’ny Faritra, hampahafantarana ny taranaka aty aoriana ny fomba amam-panao sy ny soatoavina ara-drazana. Samy nahatsapa ny maha zava-dehibe an’izany ny roa tonta ka hojerena ny fanatanterahana azy.
Nihaona ihany koa tamin’ireo mpanakanto namany avy ao amin’ny Faritra ny tale jeneralin’ny Kolontsaina. Anisan’ny hetahetan’ireo m­pa­na­kanto vory tao Fara­fangana, ny hananan’ny Fa­ritra ivontoeram-pampianarana mozika sy zavamaneno, hahatongavan’izy ireo amin’ny maha matihanina. Noha­mafisin’i Théo Rakotovao ko­sa ny maha zava-dehibe ny fivondronan’ireo mpanakanto mba hahafahan’izy ireo misongadina sy mampidi-bola amin’ny talentany. Nampaha­fantatra ihany koa ireo fanavaozana rehetra natao sy andalam-panatontosana, ho fanatsarana ny sehatra, ny tale jeneraly. Tsy nohadinoiny ny fanentanana amin’ny hitrandrahana ny zavakanto manome hasina ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy. Hitohy any Vangaindrano ity tsidika ataon’ny delagasionin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ity.

Zo ny Aina

Partager sur: