« Tao daholo », hoy ilay fomba fitenenana fandatsana ireo tsy tonga tamin’ny fotoana nifanomezana. Fa dia nahalaza ny zava-nisy omaly, tetsy amin’ny Havoria Anosy, tokoa anefa. Vory nanotrona ny fampisehoana nataon-dry Solomiral ny mpianakavy anaty mozika. Tsy ny mpankafy fotsiny no namaly ny antso, fa tazana tanaty efitrano koa ireo mpanao mozika sy mpisehatra anatin’ny tontolo, niara-nankalaza ny faha-50 taona an-tsehatr’ity tarika ivondronan’ny mpanao mozika kalaza ity.
Vao naneno ny mozika tamin’ny « Mandrosoa », dia nitovitovy daholo ny fihetseham-pon’ny iray efitrano : izay ilay Solomiral… Ilay mozika mampangorintsina anaty, namerina ny rehetra any ambadik’ireo taona maro efa dify. Avy dia nandroso i Rija Ramanantoanina, nampahatsiahy izay taona maro niarahany tamin-dry Solomiral izay. Nitohy tamin’ny « Ambotaiazy », narahin’ilay tsikombakomba mozika, sonian’ny Solomiral. Nisafidy ny « Mahatsiaro » kosa Imiangaly, izay voalaza fa fianakavian’ny tarika. « Sasa-miandry » kosa no nosafidian’ny Olombelo Ricky, izay tsy fahita firy mihira fotsiny eny an-tsehatra. Ireo no vahiny nasaina, fa nahazo sehatra ihany koa ny mpandimby manoritra ny hoavin’ny Solomiral. Nahazo tehaka niampy fanajana avy amin’ireo mpijery i Ny Aiko Fanaiky sy i Fety, zanak’i Fanaiky sy i Mendrika, izay nanaingo ny fialantsasatra. Teo koa i Ange, nanao soradihy nandravaka ny hira nataon’i Hajazz sy ny tariny.
Zo ny Aina




