Minisitra Rafaralahy Lucie : Mila manana lalam-bola samihafa

Nandritra ny famaranana ny Herinandron’ny asa sosialy tetsy Mahamasina, ny zoma teo, no niantsehatra nizara traikefa tamin’ireo tanora ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Rafaralahy Lucie. Naneho ny lalantsaina tokony hananana, torohevitra sy fanohanana ireo tanora mahakasika ny fihariana. Tsara ny sehatra fihariana manana loharanom-bola samihafa ary manohana ny asan’Andria­manitra.
Novoiziny tamin’izany fa ilaina ny miainga amin’ny kely eo an-tanana ary ampisaina hitombo izany avy eo. Rehefa mahay mihary tsara ny olona dia hahatoky tena ary ho lasa tomponandraikitra.
Rehefa miroborobo ny fihariana, mizara amin’ny hafa, mampitombo ny manodidina indray ho tonga mahaleo tena. Tonga amin’ny fahampiana sy fananana tahiry ary manana amby ampy rehefa tsara ny fihariana. Eo koa no hanomanana ny fahanterana sy ny fisotroan-dronono.
Tsy tokony hadinoina ao anatin’izany fitomboana amin’ny fihariana izany, ny manome ho an’ny asan’Andriama­nitra sa­tria tanora kristianina FJKM rahateo no nanaovana fifampizarana.
Tanjon’ny hetsiky ny FJKM, nandritra ny Heri­nandron’ny sosialy ny hoe hisian’ny fiantraikany mivantana amin’ny sosialin’ny fiarahamonina ny fiangonana.

Tatiana A

Partager sur: