Mpiziva: Hanao fankalazana sy hetsika iombonana

Ny zoma 9 janoary teo, nifamory tetsy amin’ny sampanana efatra Morarano misy ny Visie, toeram-piasan’ny polisy sy ny  tsangambaton’ny  fampihavanana ny Ziva, fikambanana naorin’ ny kolonely Masondahy Dauphin,  taorian’ny raharahan’ny taona 2002. Misy foko miisa efatra mivondrona ao anatiny: Antesaka, Betsileo, Antandroy ary Makoa. Nambaran’i Georges na Rolly, mpitarika, teo anatrehan’ny solontena isaky ny foko fa hisy ny hetsika sy fombafomba hanadiovana ny tsangambato sy ny manodidina azy ary hanamafisana sy hanarenana ny fihava­nana. Eo koa ny fankalazana ny faha-23 taona niorenan’ny fikambanana Fihavanana Ziva.
Amin’ny ankapobeny, efa antitra sy tsy voakarakara ny tsangambato, ary hita ho tsy voahajan’ny tanora ankehitriny intsony ny hasiny.
Raha hiverenana kely ny tantarany, teo amin’io toerana io no nisehoan’ny fifandonana mafy teo amin’ny mpanohana ny fitondran’ny Amiraly Didier Ratsiraka, notarihin’i José Vianney “Vijo” sy i Annick Ratsiraka, hanafika ny zanaka Atsimo Atsinanana monina sy mipetraka tao Morarano. Nisy ny aina nafoy sy naratra tamin’izany. Ny taona 2003, amin’ny maha olobe sy raiamandreny azy, nampivondrona ny foko efatra mpiziva anatina fikambanana Fihavanana Ziva, araka ny fomba sy rafi-piarahamonina malagasy ny kolonely Masondahy Dauphin. Fotoana nilazana ny tokony hatao ny tamin’ny 9 janoary teo mba hiomanan’ny isaky ny foko amin’ny enti-manana amin’ny hetsika. Mbola an­drasana kosa ny daty hanatanterahana izany.

Sajo

Partager sur: