Miaina ao anaty horohoro sy herisetra! Izay no manjo ireo mpianatra taona voalohany ao amin’ny tranon’ny mpianatra (Campus) Oniversiten’Antsiranana. Lasa herisetra ny fandraisan’ireo zokiny (Bizutage) taona faharoa no ho miakatra ao amin’ny fikambanana Mafami.
Ranomaso no iainan’ny mpianatra taona voalohany mianatra ao amin’ ny Oniversiten’Antsiranana amin’ny ataon’ny Mafami (Fikambanan’ny mpianatra avy amin’ny faritanin’Antananarivo), raha ny fijoroana vavolombelona nataon’ny ray aman-drenin’ireo mpianatra. Araka ny fampitam-baovao voaray avy any Antsiranana, ireo mpianatra taona faharoa no ho miakatra ao amin’ny fikambanana Mafami no mandray ireo taona voalohany (Bizutage) mipetraka ao amin’ ny tranon’ny mpianatra. Fomba sy fanao mahazatra nodimbiasana teo aloha amin’ny fandraisan’ny zoky ao amin’ny taona faharoa ireo mpianatra vao sambany hiditra ao amin’ ny oniversite izany. Tsy mifanaraka amin’ny soatoavina nifandovana tamin’ireo zoky teo aloha nefa ny fihetsika ataon’ireo mpianatra ao amin’ ny fikambanana Mafami satria mivadika famonoan’olona izany. Misy amin’ireo mpianatra atao sedra no torana noho ny daroka ary efa mateti-pitranga izany, raha ny tatitra voaray avy any an-toerana. « Handranto fianarana no anton-dia kanefa mivadika herisetra ny bizutage na ny fandraisana ireo ankizy taona voalohany. Anaovana antso amin’ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ ny Fampianarana ambony izany mba hijery akaiky ity raharaha ao amin’ny trano fonenan’ny mpianatra ao Antsiranana ity », hoy ny ray aman-drenin’ny mpianatra taona voalohany ao amin’ny oniversite.
Rahonana
Voalaza fa ampitahorina tsy avela mitaraina ireo ankizy. Mihorohoro ireto farany ka manahy ny ray aman-dreny amin’ny mety ho fiantraikan’ izany herisetra izany eo amin’ ny fahasalamana sy ny fianarana. Miandahy, miambavy ny herisetra. Mangataka ireo ray aman-dreny ny hampitsaharana ny vono sy daroka. Mamiratra hatrany ny mpianatra nivoaka tao amin’ny Oniversiten’Antsiranana amin’ireo sampam-pianarana samihafa toy ny ESPA, ISAE, Gestion, IST, Sciences, ENSET… ka tsy tokony hosimbaina amin’ ny fihetsika tsy mifanaraka amin’ny soatoavina mifehy ny fampianarana ataon’ ireo mpianatra aty aoriana. Nilaza ny Mafami fa misy tokoa ny herisetra ataon’izy ireo, izay voalaza hoe tsy manaraka ny baikon’izy ireo ny sasany amin’ ireo mpianatra taona voalohany.
J.C




