Natomboka omaly, teny amin’ny Lycée teknika Alarobia, ny fampiofanana ireo mpampiofana miisa 30 anatin’ny tetikasa D-Clic. Mifandraika amin’ny fanofanana amin’ny asa niomerika no atao amin’izany. Hanatanteraka ny tetikasa ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, iarahany amin’ny teknisianin’ ny OIF. Tanora lahy sy vavy miisa 1 000 avy eo ho eo no hofanin’ireo mpampiofana ho amin’ny asa niomerika, aorian’ny roa herinandro haharetan’ny fiofanana. Ampitain-davitra sy hatrehana mivantana ny fiofanana na ho an’ny mpampiofana na ny tanora. “Toeram-panofanana dimy eto Antananarivo, Toamasina, Antsirabe ary Toliara, ahitana sekoly teknika tantanin’ny fanjakana, no handray ny fanofanana mandritra ny telo volana amin’ny faritra efatra”, hoy ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Tsilefa Antonio. Natolotra omaly ireo fitaovana hampiasaina mandritra ny fiofanana. Enti-manaporofo fa hanomboka tokoa ny tetikasa D-Clic.
Hiompana amin’ny Marketing digital, Développement web, Développement d’applications mobiles ny fiofanana. Ireo mantsy ny asa ahitana tolotra maro amin’izao fotoana. Fiofanana misy kalitao, mamaly ny filan’ny tsenan’ny asa no tanjona ary ny vehivavy no ampirisihina hiofana, hahafahany mivelatra amin’ny tontolo niomerika.
Hahazo tombony ireo tanora (18- 35 taona) avy amin’ ny tokantrano marefo. Rehefa vita ny fiofanana, mbola manara-maso ireo tanora mpiofana mandritra ny enim-bolana hatramin’ny herintaona ny minisitera sy ny OIF manohana ny tetikasa.
Vonjy




