INDRAY MIJERY

Nampitandrina ny amin’ny mety ho fiakaran’ ny rano amin’ny lemak’Antananarivo, lalovan’ny reniranon’i Sisaony, ny avy amin’ny Apipa. Voakasik’izany ny kaominina 17 ahitana an’i Tsiafahy, Androhibe, Antsa­hadinta, Bongatsara, Atanetikely Ambohijoky, Alatsi­nainy Ambazaha, Ampahitrosy, Soalandy. Miampy an’Ampanefy, Soavina, Anosizato Andrefana, Ampita­tafika, Ambavahaditokana, Fenoarivo, Itaosy, Ambohi­tri­manjaka, Fiadanana ary Ampangabe.

Manoloana ny disadisa miseho any amin’ny Complexe Thermal Ranomafana Ifanadiana, manameloka tanteraka ny herisetra atao amin’ny mpiasan’ny Fahasalamana any an-toerana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Toeram-pitsaboana toy ny hopitaly io toerana io. Fanatsarana ara-pitantanana no natao ka tsy ilana antsojay.

Ampiasana moto pompe ny fanalana rano miandrona etsy Ilanivato, izay mampitaraina ny mpo­nina hatrany. Iarahana amin’ny vondrona mpamonjy voina sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny fanatanterahana izany. Vokatry ny fanorenana tsy ara-dalàna efa an-taona maro no mahatonga ny fiandro­nan’ny rano eny an-toerana.

Partager sur: