« Noho ilay fitiavana ihany…»: Hiverina an-tsehatra i Henri Ratsimbazafy sy i Voahirana

Nahazo taona, saingy tsy lefy laza. Mbola vonona ny hisedra ny sehatra toy ny nataony nandritra ny taona maro nivalona i Henri Ratsimbazafy sy i Voahirana. Hamerina indray ireo hiram-pitiavana nitety vanim-potoana maro…

Maro ireo tsy nanantena intsony. Hany ka hafaliana no nandrasain’ ireo mpankafy ny vaovao hoe hiverina hiaka-tsehatra indray i Henri Ratsimbazafy sy i Voa­hirana. Hotontosaina ny alahady 15 febroary izao io, ao amin’ny Havoria, ORTM Ano­sy, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. “Noho ilay fitiavana ihany” no antony, sady lohahevitra iompanan’ny seho rahateo, amin’ny maha fankalazana ny fetin’ny mpifankatia io fotoana io.
“Betsaka ireo mbola ma­nantena ny hahita hatrany an’i Henri Ratsimbazafy an-tsehatra. Izy rahateo mbola mahavita tsara na dia eo aza ny vesatry ny taona. Efa ela no nisy ny seho fampiaraham-peon’izy sy i Voahirana manokana, ka tianay haverina ho famaliana ny hetahetan’ireo mpankafy”, hoy ny nambaran’ny mpikarakara, omaly. Tamin’ireo sanganasa marobe noforonin’i Henri Ratsimbazafy tokoa, anisan’ireo nalaza indrindra ny fampiaraham-peon’izy sy i Voahirana. Anisan’ireo hira ni­tety vanim-potoana ary mbola voarain’ny taranaka aty ao­riana ny “Taiza? “Kanefa ianao”, “Manimanina ny tiako”, “Bon­bongolo ilay fitia”, “Ny fitiavana ihany”, “Fony aho”, “Indro ta­zako”, “Prends ma main”, sns.
Raha tsiahivina, anisan’ ireo nanomboka ny sehatra tao amin’ny tarika Henri Ra­tsimbazafy i Voahirana. Nanao feo lafika nandritra ny taona maro, avy eo nitohy tamin’ny fampiaraham-peo izay nampalaza azy ireo izany. Nitety ny sehatra maro teto Antana­narivo hatrany ivelany, tamin’ izany, saingy niato nandritra ny taona maro taty aoriana. Nisy ny fiverenana ny taona 2017 ary tsindraindray ny sisa taorian’izay. Ity kosa no ha­merina ilay tena fampiaraham-peo sy talenta eo amin’ireto mpanakanto mpiray tsikom­bakomba an-tsehatra ire­to, hotrotroin’ireo mpitendry efa mpanaraka azy ireo hatramin’ izay.

Zo ny Aina

Partager sur: