Tontolon’ny hira : Ny mpamerina no betsaka

Zara raha ahenoina sanganasa vaovao. Saika ireo efa noforonin’ny teo aloha ihany no averin’ireo ta­rika na mpihira aty aoriana. Tranga anisan’ny mampivarahontsana eo amin’ny tontolon’ny hira malagasy izy io. Ireo hira noforonina tany amin’ny taona 1950, 1960, 1970, 19­80, no re etsy sy eroa. Na ireo heverina fa « mpanakanto » manana ny maha izy azy aza, roboka amin’ny famerenana. Saba-droa lela io tranga io. Tsy very ny teo aloha fa ma­refo kosa ny aty aoriana.

Kamo hamorona ve ny mpamoron-kira? Ny mam­piasa ny sanganasan’ny teo alo­ha ve no mora hahazoana vola kokoa? Ireny famoronan’ ireo teo aloha ireny ihany ve no azo antoka fa hahasarika mpanjifa any amin’ireo lanonana samihafa?… Raha ny fantatra, nanomboka ny taona 1985, iray amin’ireo firenena maro mpamerina indrindra ny Malagasy raha eo amin’ny tontolon’ny hira.
Raha tsy miroso any amin’ ny famoronana ireo mpamoron-kira malagasy, ho tonga any amin’ny « fahanterana » ity zavakanto iray ity ka tsy ho anisan’ny mari-pamantarana vanim-potoana diavin’ny firenena intsony.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: