Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Lisbonne, ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa, taranja Jiu-jitsu Breziliana, nandraisan-dRanarivelo Xavier anjara. Teo amin’ny ady faharoa, nanoloana an’ilay mpikatroka laharana faharoa maneran-tany, ity Malagasy mpikatroka ity no resy ka tsy afaka nanohy intsony ny fifaninanana. Nahazo fandresena kosa izy tamin’ny ady voalohany, rehefa nifanandrina tamin’ilay teratany Espaniola, i Marcos Rodriguez Castors. Nambaran-dRanarivelo Xavier fa resy izy tamin’ny ady natrehiny, saingy nahazo traikefa lehibe tamin’ity fifaninanana natrehiny ity. Mpikatroka
efa kalaza maneran-tany avokoa no nifanehatra taminy ary nanome ny tsara indrindra iz. Nisaotra ireo rehetra nanohana azy sy nankahery azy izy ary nilaza fa mbola ho tsara kokoa ny vokatra amin’ny fifaninanana manaraka mbola ho hataony. Mbola any an-toerana moa i Xavier amin’izao fotoana, maka traikefa sy mianatra amin’ireo jiujiukas kalaza.
Mi.Raz




